Please note, this is a STATIC archive of website developer.mozilla.org from 03 Nov 2016, cach3.com does not collect or store any user information, there is no "phishing" involved.

Fepetra Fitsarana ao amin'ny Tsena

This translation is incomplete. Please help translate this article from English.

Ity lahatsoratra ity dia manoritsoritra ny andiana fitakiana tokony ho fenon'ny app iray hizarana azy amin'ny alàlan'ny Tsena Firefox. Ireo fitakiana ireo dia natao hampifadanja ny filan'ny mpamolavola app sy ny filan'ny mpampiasa app avy amin'ny Tsena Firefox. Ireo mpamolavola dia mila fitakiana rariny sy ranoray ary tsy drakoniana izay azon'izy ireo atokisana ho fototra iorenan'ny asa fandraharahany. Etsy ankilany, ireo mpampiasa dia mila toky fa azo antoka sy handeha amin'ny fitaovan-tseraserany ary hanao izay lazainy fa hataony ireo app. Ireo fitakiana momba ny app eto ambany dia mikendry ny fifandanjana marefo eo amin'ireo filana ireo.

Ireto avy ny antenain'i Mozilla amin'ny atao hoe fitsarana app sy ny tsy izy:

  • Ireo fepetra dia hampiharina amin'ny fomba rariny sy miantra ary ranoray. Ny fitsarana app dia tsy natao ho mpiambina vavahady, fa toerana fifampikasohana atokisana izay manome hevitra hanampiana ireo mpamolavola mba hahomby kokoa.
  • Ireo mpitsara dia tsy ekipa mpanao fiantohana kalitao! Mandritra ny fitsarana, dia hisy olona hijery ny manifestan'ny app sy handany minitra vitsivitsy hampiasa ilay rindranasa toy ny fanaon'ny mpampiasa mahazatra.
  • Raha tsy afaka fitsarana ny app iray, dia homena fanazavana mazava ilay mpamolavola momba ireo olana hita sy ireo dingana mila averina, ary raha azo atao, ilay mpitsara dia tokony manoro ilay mpamolavola izay làlan-kizorana mety amin'ny alàlan'ny fanomezana azy rohy mitondra amin'ireo tahirin-kevitra mifandraika mandray an-tànana ny olany na tokony manome torohevitra azy momba izay fanovana mila atao. 
  • Tsy ny endriky ny app no tsarain'ireo mpitsara, fa ny fiasan'ilay app fotsiny. Ohatra, ny app iray misy andalan-tsoratra mena eo amin'ny faritra ivoho mivolomboasary dia tsy holavina fa hoe ratsy endrika, fa mety holavina raha tsy hay vakina.
  • Manome ireo mpamolavola ny tombontsoan'ny fisalasalana foana izahay. Raha tsy azo antoka hoe tokony holavina ny app iray na tsia, dia hametraka fanontaniana ireo mpitsara alohan'ny hamoahana fandavana. Ireo app dia tsy holavina (am-pahafantarana ny antony) noho ny olana momba ny platifaorima izay ivelan'ny fahefan'ilay mpamolavola; saingy mety hampihantona ny fankatoavana azy izahay raha tsy mety mandeha ilay app.

Fiarovana

Ny antsipiriany manontolo momba ny firafitry ny fiarovana app dia ato: https://wiki.mozilla.org/App/Fiarovana

  • Ny manifestan'ny app dia tsy maintsy aroso avy amin'ny loharano niavian'ilay app ihany
  • Ny manifestan'ny app dia tsy maintsy androsoana andohany Content-Type an'ny application/x-web-app-manifest+json
  • Ireo app dia tsy tokony mampiasa redirect (familian-dàlana) na iframe (ifefimerana) hamatrarana atiny izay tsy nahazoan'ny mpamolavola alàlana hampiasainy.
  • Ireo alàlana nangatahina dia tsy maintsy lazaina mazava ao amin'ny manifestan'ny app miaraka amin'ny fanoritsoritana ny antony ilana ilay alàlana.
  • Ireo app manana karazana privileged (manan-tombo) dia handalo fizahana misimisy, anisan'izany ny fitsarana kaody, noho ny ambana mety hisian'ny fihetsika fisomparana sy fahaverezana data-mpampiasa amin'ireo API manan-tombo.
  • Ny Politika Fiarovana Atiny (PFA) voafaritra ao amin'ny manifestan'ny app dia mamaritra ny azon'ilay kaodin'ny app atao. Ny niandohana, raha tsy voalaza mazava, ho an'ireo app tsy privileged dia mitovy amin'ny an'ny tranonkala rehetra; ireo app manana karazana privileged dia manana niandohana mametra bebe kokoa. Ireo tatitra fankatoavana foronina mandritra ny fandrotsahana amin'ny Tsena Firefox dia hilaza izay mety tsy fanajana ny PFA ao amin'ny appnao, na ireo toa tsara nefa sandoka sy ny fampiasana amin'ireo ampahan'ny tranombokin'ny ankolafy fahatelo tsy ampiasainao aza, ka tandremo.

Tsiambaratelo

Atiny

  • Izay app tsy manaja ny Torolàlana momba ny Atiny nataonay dia tsy mahazo alàlana. Raha heverinao fa manana "edge case" na tranga fetra ianao, dia azafady anontanio ny ekipa mpitsara hahazoanao fanazavana, na dia mbola tsy vonona harotsaka aza ilay app. Ny tianay hatao dia ny hanampy anao hijanona amin'ny làlana tsara, toa izay handany fotoana famolavolana amin'ny atiny izay holavina. 
  • Manomboka amin'ny Janoary 2014, ny app rehetra dia tsy maintsy mahazo naoty avy amin'ny International Age Rating Coalition (IARC). Mba hahazoana an'io naoty io, dia hanoro anao tambam-panontaniana fohy izahay mandritra ny fandrotsahana, ary haharay naoty eo noho eo ianao. Misy fampahalalana ny fizotry ny fanomezana naoty ato.
  • Ireo sarin'efijery sy fanoritsoritana narotsaka amin'ny Tsena Firefox dia tsy maintsy maneho am-pahamarinana ilay app. Ianao dia afaka manisy sary "marketing" 1 na 2 mampiseho ny fifanentanam-pitaovana, mampitaha fiasa, na raha tsy izay dia mamokatra fahalianana, saingy tsy maintsy misy sarin'efijery iray farafahakeliny mampiseho ilay app am-perinasa, amin'izay ireo mpampiasa afaka manopy maso amin'izay ho azon'izy ireo marina. Raha efijery splash fampidirana na fanombohana ny iray amin'ireo sarin'efijerinao, dia tsy maintsy  manisy sarin'efijerin'ilay tapany miasa amin'ilay rindranasanao koa ianao.
  • Ao amin'ny manifestan'ny app, ireo locale key (lakilen'ny fiteny eo an-toerana) dia tokony mifanandrify amin'ireo dikanteny amin'ny fiteny eo an-toerana izay raisin'ny appnao an-tànana. Raha manome locale key amin'ny teny Poloney ianao, dia hanantena ireo mpampiasa fa misy amin'io teny io ny appnao.
  • Ny ikaonan'ny app dia tokony hanaraka ny torolàlana momba ny endrik'ireo ikaonan'ny app Firefox OS. Ny ikaona 128 x 128 ihany no tsy maintsy atao, nefa manoro hevitra ny fampiasana ikaona 512 x 512 ihany koa izahay (raha mila antsipiriany misimisy, dia jereo Fanaovana ikaona ho an'ireo app.)

Torolàlana momba ny atiny

Ity lisitra ity dia manoritsoritra ireo karazana atiny izay tsy mety amin'ny Tsena Firefox. Ity lisitra ity dia natao ho fanehoana, tsy farany, ary mety hohavaozina. Raha hita fa tsy manaja ireto torolàlana momba ny atiny ireto ny rindranasa iray, dia manan-jo hanala ilay rindranasa tao amin'ny Tsena Firefox eo noho eo i Mozilla.

  • Tsy misy zavatra vetaveta sy mamoafady, na fanehoana an-tsary ny firaisana ara-nofo na herisetra.
  • Tsy misy atiny mandika ny zon'olona na iza izy na iza, anisan'izany ny zom-pananana ara-tsaina na zom-pananana hafa na zo hitana ho tsiambaratelo na hamoaka am-pahibemaso.
  • Tsy misy atiny natao hamelezana an'i Mozilla na ireo mpampiasa (toy ny kaody ankaso, viriosy, rindrambaiko mpitsikilo na rindrambaiko mpisompatra).
  • Tsy misy atiny tsy ara-dalàna na mampiroborobo asa aman-draharaha tsy ara-dalàna.
  • Tsy misy atiny mamitaka, manoro vohony, sandoka na natao hanjonoana mombamomba saro-pady na hanaovana fangalarana idantite hafa.
  • Tsy misy atiny mampiroborobo filokana.
  • Tsy misy atiny manao dokambarotra vokatra na serivisy tsy ara-dalàna na feran'ny lalàna. 
  • Tsy misy atiny manararaotra zaza.
  • Tsy misy atiny manambany, mampitahotra, manentana hanao herisetra amin'ny, na mandrisika hanao asa manimba amin'ny olona na vondrona iray noho ny taona, fananahana, firazanana, firenena niaviana, fivavahana, fironana ara-nofo, hasembanana, toerana jeografika na sokajy arovana hafa na atiny miendrika lahateny fankahalana.
  • Tsy misy atiny manoro vohiny ny mpampiasa hanapa-kevitra hividy zavatra.

Fiasa

  • Ny mpanitsy dia tsy maintsy afaka manao ireo fiasa voalohany andokafana an'ilay app. Ireo tsinin'ny endriny sy ireo lafiratsiny kely dia hotaterina amin'ny mpamolavola azy, saingy tsy hisakana ny fankatoavana ilay app izany.
  • Tsy tokony hanimba ny tombom-pahombiazana na fahatsaram-pototry ny rafitra mihitsy ilay app.

Fahafaha-mampiasa

  • Ny mpamolavola dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra hanabe voho indrindra ny filamin'ny app ho an'ilay platifaorima kendrena. Ny tanjon'ity fitakiana ity dia ny mba hahatsikarihana ireo fahavoazana miharihary, toy ny:
    • App iray narotsaka ho an'ny finday izay miharihary fa tranonkalan-tsolosaim-birao.
    • App iray izay tena miharihary fa tsy miitatra mameno ny habak'efijery misy (eritrereto hoe app 320x480 izay maka toerana amin'ny zorony ambony fotsiny amin'ny tabilety iray, ary ny ambin'ny efijery dia foana. Tsy fanahy iniana izany mazava ho azy!)
  • Ilay app dia tsy maintsy manao ny fomba fitetezany manokana fa tsy miankina amin'ny mpitety chrome na bokotra ambadika rindrambainga izay tsy ho eo amin'ny fitaovana tsirairay.
    • Ohatra, ny app iray dia holavina raha mitety any ho any ao anatin'ilay app ny mpitsara ary tsy afaka mitety miverina avy eo. TSY takina amin'ireo app ny hananany tsipi-bokotra fahita amin'ny app zanatany.
    • Amin'ny Firefox OS v1.1 sy ny aoriany, ianao dia afaka manampy ilay fananan'ny manifesta chrome hanampiana fibaiko fitetezana vitsy indrindra.
  • Ireo singan'ny fitetezana, toy ny bokotra sy ny rohy, dia tsy maintsy mora tsindrina na kasihina.

Politika fampidirana anaty lisi-tsakana 

Antenainay fa tsy hila hampiasa azy io mihitsy izahay, nefa ataonay fiandry ny zo hanala ("hampiditra anaty lisi-tsakana") izay app navoaka ka hita avy eo fa tsy manaja ireo fitakiana momba ny fiarovana, tsiambaratelo na atiny, na ireo app izay manimba be ny tombom-pahombiazan'ny rafitra na tambajotra. Ireo mpamolavola dia hilazana momba ny toe-javatra alohan'ny hampidirana anaty lisi-tsakana ny app iray, ho raisina toy ny olom-banona raha tsy hoe angaha mahita porofo miavaka manamarina ny mifanohitra amin'izany izahay, ary hahazo fanampiana feno avy amin'ny ekipa mpitsara app izay hampita ny zava-misy sy hamaha ny olana. Anisan'ny ohatra toe-javatra miavaka azo antoka fa hampisy fampidirana anaty lisi-tsakana ireto:

  • Fanjonoana mombamomba saro-pady
  • Fandefasana spama
  • Fanovana atiny avy amin'ny Puppy Pictures v1.0 ho lasa Brutal Violence v1.0 (tsy nisy fanavaozana ny naotin'ny atiny)
  • Fihetsika ratsy be ataon'ny app amin'ny salanisa-mpampiasa be, manimba tombom-pahombiazan-telefaona, miteraka famerenana mamelona fitaovana, miteraka fahaverezana data, sns. raha afaka milaza ireo mpampiasa fa noho ilay app izany ary raha tsy voavahan'ny famerenana mamelona ny fitaovana izany.
  • Ny app ampiasaina hanafihana tambajotra, toy ny fandavan-tserivisy zaraina (DDOS).

Fampahalalana bebe kokoa

Ireto loharano manaraka ireto dia manome fampahalalana bebe kokoa momba ny fizotry ny fitsarana sy ireo mpitsara app:

  • Fepetra fanandraman'ny mpitsara : ity pejy ity dia manoritsoritra ireo andrana ataon'ny mpitsara app amin'ireo appnao
  • Mpitsara app : fomba ifandraisana amin'ny ekipa mpitsara app sy handraisana anjara amin'ny fitsarana

Document Tags and Contributors

 Contributors to this page: DevonB, mg-MG01_Gabriella
 Last updated by: DevonB,